
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.

2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.

3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. 

4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.

6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tnany ankavanana.

7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.

8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,

9 Jehovah , vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah , vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
